Actualités

Jiro sy rano tapa-dava Porofo ny fanjakazakan’ny vahiny ,hoy James Ratsima


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Mbola nisy ihany ny delestazy tamin’ity herinandro nivalona iny na dia tafiditra tao anatin’ny fety aza. Ora iray isaky ny faritra iray no niainana izany raha kely indrindra ankoatra ny afaka omaly faran’ny taona sy omaly Alahady taom-baovao.

Mbola porofon’ny fanjakazakan’ny vahiny hatrany ireny hoy James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko. Efa tampon-dalan-kaleha ny orinasa Malagasy hoy hatrany izy antony nandehanan’ny mpitondra tany ivelany nihaona tamin’ny mpamatsy vola izay nomarihiny fa mpamatsy vola fa tsy mpampiasa vola  satria efa azy ilay orinasa Malagasy dia hanjakany izay midoika ho fampandrosoana ho azy ireo. Maninona hoy izy raha  tsorina fa adala isika Malagasy, satria ny orinasantsika ihany no lalaoviny dia handefasany olona mba hitantana azy ka anisan’ireny ny JIRAMA. Izao fahatapahana jiro sy rano lavareny izao no vokatr’izany hoy hatrany James Ratsima nefa efa taona marobe aho no efa nanome vahaolana toy ny fitanisana ireo dobo sy renirano eto Madagasikara mba hanamboarana ilay “central hydro electrique”. Vao mainka tsy miraharaha anefa ny fitondrana hoy hatrany izy fa manome lamosina ka ny mividy fiara4x4, mitsangatsangana any ivelany…. no hataony. Ilaina ho fantatry ny Malagasy izany hoy hatrany izy farafaharatsiny mba misy mijoro fa tsy hiaritra amin’izao fahantrana lali-paka izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT