Tsy hisangy amin’ireo mpanjifa mbola zatra ny lalan-dririnina ny mpitantana vaovao ao amin’ny Jirama Toliara manomboka izao, satria volabe mitentina 2,4 miliara ariary no trosa vary mangatsiaka mbola tsy naloan’ireo mpanjifa olon-tsotra (categorie 10).
Raha ny nambaran’ny tale iraisam-paritry ny Jirama vaovao ao Toliara, Razafindrahibe Paul, tamin’ny mpanao gazety. « Misy amin’ireo mpanjifa tsotra no tsy nandoa faktiora am-bolana maro, misy roa taona », hoy hatrany ny fanazavany. Noho izany, hialana amin’ny gaboraraka mambotry ity orinasam-panjakana ity, dia hisy ny « opération » fanendahana kaontera ho an’izay tsy mahaloa vidin-jiro sy rano manomboka izao ho fanatsaran-javatra. Ny mpanjifa mandoa ara-dalàna ihany mantsy no lasibatra amin’ny delestazy, izay in-droa mahita ny maizina noho ny tsy fahampian-tsolika.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.