Actualités

JIRAMA Toamasina Mpanjifa vaovao 2.500 hahazo ny kaonteran-jiro


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Anisan’ny olana goavana nosedrain’ireo mpanjifan’ny Jirama any Toamasina ny olana tamin’ny fahazoana kaonteran-jiro na efa nandoa ny vola rehetra notakian’ny Jirama aza,

ka lasa nampirongatra ny halatra herinaratra izay niteraka fatiantoka hatramin’ny 25% ny Jirama.

Ho fanatsarana ny fifandraisan’ny Jirama sy ny mpanjifa dia hisy ny fandaminana hataon’izy ireo amin’ny fanomezana ny kaonteran-jiron’ireo mpanjifa vaovao miisa 2.500, ka hanomboka ny volana martsa izao dia hamoaka kaontera miisa 600 isam-bolana ny Jirama izay hataon’izy ireo hatramin’ny volana jona ho avy izao. “Atao anatin’ny mangarahara avokoa ny famoahana ny lisitr’ireo hahazo arakaraka ny fotoana nandoavany ny volan’ny Jirama.”, hoy ny talen’ny Jirama Toamasina Toto Jean De Dieu. Noho izany dia naaton’ny Jirama Toamasina nanomboka ny talata teo ny fangatahana kaonteran-jiro vaovao, saingy hiverina ihany izany ny volana jolay ho avy izao, hoy kosa ny lehiben’ny servisin’ny herinaratry ny orinasa Razatovo Haja. An-kilan’izany dia nohazavain’ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina ihany koa ny olana mahatonga ny fatapatapahan’ny jiro tato ho ato. “Tsy resaka delestazy no anton’ireny olana ireny fa vokatry ny mbola fanarenana ataon’ny Jirama ihany taorian’ny fahasimbana goavana nateraky ny rivo-doza AVA farany teo”, hoy hatrany Toto Jean De Dieu; satria raha 24,7MW isan’andro ny filan’ny mponina sy ny mpanifa dia manana vokatra manodidina ny 32MW ny Jirama izao, izay voalaza hatrany fa mbola hiampy 06MW amin’ny fananganana fitaovana mpamokatra herinaratra izay hiarahana amin’ny orinasa avy any Turquie amin’ity taona ity.

Ankoatra izay dia nampahafantarina nandritra izao fihaonana tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny biraon’ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina, ny tompon’andraikitry ny serasera izay sahanin’i Chadly Wander Assany hanatsarana ny fifandraisan’ny Jirama sy ny mpanjifany.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT