Nitondra takaitra ho an’ireo distrika nandalovany i “AVA taorian’ny fidirany tao Mahavelona Foulpointe sy tao Toamasina, Brickaville ary Vatomandry.
Raha ny tarehimarika azo dia mahatratra 5.000 ny traboina rava trano sy simba tafo ary tratran’ny rano. Ny 3.841 dia tao Toamasina renivohitra sy ny manodidina avokoa. Nahatratra 90% ny fahasimbana tao Mahavelona Foulpointe, 80% ho an’i Toamasina renivohitra sy ny manodidina ary Brickaville. 70% kosa ny fahasimbana tao Vatomandry. Maro ireo fotodrafitrasa no simba tany an-toerana. Raha ny filazan’ny tale jeneralin’ny Jirama Olivier Jaomiary dia mitentina 15 miliara ariary ny fahavoazana tamin’ny fahasimban’ireo andrin-jiro sy ireo taribin-jiro ary ireo “transformateurs”. Ny 2/3 dia fahavoazana tao Toamasina renivohitra sy ny manodidina avokoa. Nanome herinandro ny Jirama hanarenany ny fahavoazana. Efa misy ny faritra miverina ny herinaratra ao Toamasina, tahaka ny faritra misy ny RNM sy TVM, ny fonja, ny hopitaly roa ary ireo faritra misy biraom-panjakana sasany. Efa miverina ihany koa ny herinaratra ao Sainte-Marie sy Mahavelona Foulpointe. Tsy nisy fahasimbana loatra kosa ny ao Fenoarivo Atsinanana ka efa miverina ny herinaratra nanomboka ny sabotsy teo ihany. Manao antso avo anefa ny Jirama mba tsy hangalarana ireo taribina herinaratra latsaka amin’ny tany sy miantona amin’ny hazo fa mety hahatara sy hanasarotra ny famerenana ny herinaratra indray izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.