Actualités

Jirama Tariby mirefy 35km nisy nangalatra tao Toamasina


  • Alarobia 01 Septambra 2010


Lasibatry ny asan-jiolahy koa ny orinasa Jirama Toamasina ka ripaka tao anatin’izany ny tariby mpitondra herinaratra. Raha nataon’ny Jirama ny kajy dia tariby mirefy 35km no nisy nangalatra ka Ambalamanasy, Ampilaolava, Ivoloina, Toamasina suburbain ary Tanandava no tena itrangan’izany. Raha nojerena dia 14km amin’izany no tafiditra amin’ireo tariby mpitondra herinaratra “basse tension”, 21km (07km x 03) mitondra “moyenne tension”. Vao herinandro koa anefa izay dia nisy taribin’ny Jirama 60m no nisy nangalatra manodidina ny tanàn-dehibe ary vao ny alatsinainy alina kosa dia tariby 80m teo no nisy nangalatra ihany koa. Hazo lava asiana tsofam-by ery amin’ny tendrony no fomba fanapahan’ireo jiolahy ny tariby. Tratra moa izany fitaovana izany ankehitriny, ireo mpanao azy kosa mbola karohina.

Miteraka ny fahatapahana tampoka amin’ny herinaratra tato ho ato tao Toamasina izao halatra tariby mpitondra herinaratra izao. Ireo misy mangalatra anefa tsy voasolo avy hatrany noho ny hamaroan’ny asa fampidirana sy fanitarana ataon’ny Jirama. Fantatra koa anefa fa 5.000 ariary no ivarotan’ireo mpangalatra ny iray kilaon’ny tariby vita amin’ny viraty, ka ireo mpividy vy ao Toamasina sy ireo mpibizina avy any Ambatolampy no mpividy izany. Fantatra fa tafakatra hatrany amin’ny 200 tapitrisa ariary ny fatiantoky ny Jirama amin’ity halatra tariby ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT