Fitia te handoro sa tena vokatry ny delestazy ? Naharay antso an-telefaonina ny Lehiben’ny Faritra SAVA Velomaro Faustin nampandre sady nampiomana azy fa « leo izahay ka miomana fa hodoranay ny Jirama ».
Nanambara ny anarany ilay niantso, olona ao an-tanànan’i Sambava ihany, ary efa mpitondra teo aloha. Diso fantatra tamin’ny fitarihana olona handorondoro tamin’ny 2009 ireny izy. Anisan’ireo nitarika ny fandoroana ny tranombarotra Magro Sambava, fananan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Toyota Raseta Sambava, ary fandrobana tranombarotra lehibe iray nandritra ny fotoana mavaivay teto amin’ny firenena ireny. Taorian’izay dia nialokaloka taty an-drenivohitra izy ary izao dia niverina ao Sambava izao dia io mandrahona handoro ny Jirama io indray. Nandritra ny lanonana fanolorana nataon’ny Orange Solidarité « tablette » miisa 50 ho an’ny CEG Sambava no nambaran’ny Lehiben’ny Faritra SAVA Velomaro Faustin ampahibemaso io toe-javatra io ny talata teo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.