Sangisangy sa tena asa fampihorohoroana ? Hafahafa ny fisehoan-javatra teny amin’ny foiben’ny Jirama Ambohijatovo omaly.
Nisy nametraka zavatra boribory miendrika voanio misy lahiny nofonosina harona plastika miloko manga, tao amin’ny toerana fitobiana kaontera. Nambara avy hatrany fa «baomba» izy ity, toa manamarina izany koa moa ny fisian’ny etikety milaza fa mahery vaika sy mampidi-doza nipetaka taminy.
Nandritra ny fihetsiketsehan’ny andiana mpiasa tarihin’ny farimbon-tsendikaly eo anivon’ny Jirama no nahitana io «baomba» io. Efa teny an-toerana moa ny mpitandro ny filaminana ka dia ry zareo no nandray an-tanana azy sy nanokatra fanadihadiana avy hatrany.
Nanao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny fahitana io fonosana mampiahiahy io. Tao ny nilaza fa tetika handotoana ny fitokonan’ny ampahan’ny mpiasa miara-dia amin’ny farimbon-tsedikalin’ny Jirama izao. Fitokonana izay niandoha tamin’ny fanoherana ny fanomezana orinasa amerikanina Symbion Power ny fitantanana ny foibe famokarana herinaratra an’ny Jirama ao Mandroseza. Niitatra amin’ny fitakian-trosa miavosan’ny fanjakana tsy mandoa faktioran-jiro sy rano izay nitarika fanapahan-jiro sy rano tao amin’ny minisiteran’ny rano Ambohijatovo sy ny saika hataon’ny mpiasa mpitokona teny amin’ny ministeran’ny angovo Ampandrianomby.
Ny hafa indray mahita fa ireo mahatsiaro ho very tombontsoa tsy mahazaka fifaninanana no ao ambadik’iny fonosana mampiahiahy iny ho fampihorohoroana.
Raha sanatria nipoaka tokoa iny “baomba” iny, inona no nitranga ? Ny azo antoka aloha dia hitombo ny fatiantoka eo anivon’ny orinasa Jirama, ankoatra izay mety ho fahasimban-javatra naterany. Misokatra moa ny fanadihadiana ka dia ho hita eo ny marina momba azy iny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.