Tsikombakomba mihitsy aza no ilazan’ny mpanjifa ny fisehon’ny fomba fiasa maloto ataon’ny mpiasa sasantsasany ao amin’ny Jirama Mahajanga ao.
Araka ny vaovao dia mifandray tendro amin’ireny mpanamarina ny kaonteran-jiro sy rano ireny ireo mpanjifa vaventy. Mazava loatra fa tetika mba tsy handoavana vola be io ka dia any amin’ny faktiora no ketrehina. Mba hahatongavana amin’izany anefa dia miainga any amin’ireo mpanamarina kaontera ny asa, rehefa vita ny resaka. Ahena ny fandaniana voatondron’ny kaontera, dia manaraka izay ny ambiny. Vola be no tsy tafiditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny Jirama ao anatin’izany, ary tsy miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ihany koa satria orinasam-panjakana ny Jirama. Efa tambazotra goavana mihitsy izy ity, raha ny fahitana azy. Matevintevina ny “ekôlazy” ary ambony apanga fotsiny ny karama raisin’ireo mpiasa “mpanao bizina” amin’ity afera maloto ity. Ny loza dia ireo mpanjifa tsotra no mameno ny banga satria sahiran-dava ny orinasa, fa hoe tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Araka ny vaovao ihany dia fantatra eo anivon’ny Jirama Mahajanga ny fisian’ireny hosoka ireny, fa dia nitondra faisana koa izay niana-kendry nahasahy namaky bantsilana izany tao. Koa asa izay hiafaran’itony orinasam-panjakana itony raha izany no mitohy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.