Actualités

Jirama Ambohimanambola Tonga ireo gropy marobe nohafaran’ny Aggreko


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Tonga eny Ambohimanambola ireo gropy marobe nohafaran’ny Aggreko hanatsarana ny famatsiana herinaratra eto amintsika. Nanaitra ny maro teny an-toerana ny fitanjozotran’ireo fiarabe maro mitondra kaontenera lehibe tsirairay avy mihazo ny lalana mankeny amin’ny Jirama Ambohimanambola ka nampisy fitohanan’ny fifamoivoizana tsy fahita firy amin’iny lalana iny ny alakamisy teo vao maraina.

 

An’ny orinasa Aggreko, eo ambanin’ny Jirama, izay anisan’ireo mpamatsy angovo azy ireo entana ireo. Kaontenera 44 no totalin’ny niala tany Toamasina, rehefa niantsona tapa-bolana tao amin’ny seranan’i Toamasina. Raha ny fandehan’ny tantara dia azo eritreretina ho ny fisian’ireto fitaovana efa nanangasanga fa ho avy ireto ary vinavinain’ny maro fa hamaha ny olan’ny delestazy eto no nampisy resabe tamin’ny fanampahan-kevitra ny hampanofa amin’ilay orinasa Amerikanina  Symbion ny famokarana herinaratra ao Mandroseza sy nahatonga ny fitokonana teo anivon’ny farimbon-tsendikan’ity orinasam-panjakana ity. Ohatra ny nanamarina izany eritreritra izany ny fahatazanana sorabaventy teo amin’ny fefin’ity orinasa Aggreko ity nilaza ny hoe : “Toherinay ny finiavana handrava sy hamotika ny orinasa Jirama”.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT