Mpandoko trano iray no maty kilan’ny herinaratra teny amin’ny tobin’ny Jirama teny Ambodivona omaly ary iray hafa mbola miady amin’ny fahafatesana.
Nandoko ny tranon’izy ireo izay eo akaikin’ny toby ireto lehilahy ireto no nahakasika tariby nitondra herinaratra mahery vaika, 63 000 volts, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro omaly. Tapaka noho izany ny famatsiana herinaratra rehetra teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina satria nahakasika ny toby foiben’ny Jirama teto Antananarivo ny fahavoazana vokatry ny fifampikasohana. Tsy vitan’izay fa araka ny vaovao voaray ihany koa dia nisy fiantraikany tany amin’ny toby mpamokatra herinaratra tany Andekaleka ny zava-niseho teny Ambodivona fa soa ihany fa nalaky voavonjy izany ary omaly tamin’ny 1ora antoandro ihany dia efa niverina tamin’ny laoniny ny famatsiana ny herinaratra. Ny manitikitika ny saina dia ny hoe fa nahoana moa no misy trano misy rihana miorina eo ambany tariby mitondra herinaratra mahery vaika 63 000 Volts ? Ny gaboraraka sy fisian’ny kolikoly amin’ny fahazoana ny “permis de construire” eto an-drenivohitra no mahatonga ny loza tahaka izao ka inoana fa handray ny andraikiny ny manampahefana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.