Actualités

Jiolahy nitifitra polisy Maty voatifitra tao Maninday i Velo


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Lehiben-jiolahy iray mitam-basy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-basy nokarohina hatry ny ela no maty rotiky ny balan’ny polisy Toliara, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora, tao Aviro Maninday.

Nahazo vaovao marim-pototra tamin’ olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana, ary teny am-pasana nandevina ny rainy maty i Velo nosamborina. Raha vao nahita ireo polisy ny jiolahy roa tonga dia namoaka basy, nefa ny an’ny mpitandro filaminana no tonga aloha. Bala efatra no niantefa teny amin’ny vatany. Maty tsy tra-drano i Velo.

Nifanenjehana tao am-pasana

Tafaporitsaka teny am-pasana kosa ny namany iray, izay jiolahy malaza ratsy ao Toliara, rehefa nifanenjehana, ka atao hazalambo amin’izao. «Efa nigadra in-droa i Velo noho ny resaka fanafihana mitam-basy narahina vono olona hatrany, kanefa mamerin-keloka foana tsy mety fay. I Velo ihany koa no tompon’antoka tamin’ny fitifirana polisy roalahy tao amin’ny fokontany Mahavatse II ny 5 oktobra 2014», hoy ny fanazavan’ny «Commissaire central» Rufin Lebiria, nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Eric R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT