Actualités

Jeneraly Zafera Viennot Christian “Tsy misy resaka politika iny”


  • Zoma 21 Mey 2010

Tsy naharenesam-peo mihitsy ny jeneraly Zafera Viennot Christian, komandin’ny Fign omaly taorian’ny nanipazany ireo seza saika hanatontosan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fotoam-pivavahana teo amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina. Niezaka nanatona azy ny gazety Tia Tanindrazana ary afaka nifampitafa taminy nandritra ny fotoana fohy tao anatin’ny Toby. Fanadihadiana

 

Tia Tanindrazana (T.T): Inona marina ny zava-misy ato amin’ny FIGN. Mifamahofaho be mantsy ny vaovao heno any ivelany ?
Ny jeneraly Zafera Viennot Christian (Zafera): Ny azoko ambara dia misy ampahana zandary tarihin’ny manamboninahitra vitsivitsy ato amin’ny FIGN mitarika fikomiana. Izy ireo no nampiantso ireo vahoaka hiakatra ety.
T.T: Midika ve izany fa tsy ny FIGN rehetra no mikomy ?
Zafera: Ampahany amin’ny FIGN izy ireo. Araka ny ahitanao azy izao dia ireo miambina ny toby ireo ny miaramilako.
T.T: Inona no heverinao nahatonga ireo zandary sasany hikomy ? Ilay resaka 500 tapitrisa ariary sa antony hafa ?
Zafera : Resa-bola no manosika azy ireo. Noho ny fahantrana dia voasariky ny vola izy ireo. Tsy misy resaka politika kosa anefa satria tsy fantatry ny Zandary izany.
T.T: Misy ireo miaramila avy ao amin’ny Emmo-Reg sy Fis manafika ny Toby. Inona no fepetra noraisinao manoloana izany ?
Zafera : Efa nifampizara asa izahay ka ny anjaran’ny Emmo-Reg dia ny famerenana ny filaminana ivelan’ny toby fa anay kosa ny ato anatiny. Izay no mahatonga azy ireo hanangana sakana eny amin’ny lalana.
T.T : Misy barazy ataon’ny zandary koa anefa ao Ambohitrakely ary milaza izy ireo fa vonona hitsena izay mpanani-bohitra ?
Zafera: Tsy hitako izay any ambany any. Na izany aza dia misy zandarinay koa any
T.T : Tsy mametraka olana aminao ve ny fisian’ny andian-tafika hafa miditra amin’ity raharaha ity raha tsy hilaza afa-tsy ny FIS ohatra ?
Zafera : Izay no maha mpirahalahy ny miaramila, ny zandary ary polisy. Mifanampy rehefa misy ilana azy amin’ny fotoan-tsarotra.
T.T : Azo lazaina fa mizara 2 izao ny FIGN. Tsy ahiana ve ny hisian’ny fifandomana indrindra raha maizina ny andro?
Zafera : Samy miaramilako ireo ka tsy misy ahiana ny amin’izay. Mifankafantatra rahateo ry zalahy.
T.T: Efa nifampiresaka tamin’ny lietna kolonely Raymond Andrianjafy ve ianao momba izao savorovoro izao?
Zafera : Niezaka niantso azy hatrany aho fa tsy mandray telefaonina izy. Na izany aza dia tsy mitsahatra ny mampiantso azy aho. Ny tanjoko dia ny hahatongavany eto amin’ny biraoko mba hahafahako miaro azy.
T.T: Fa aiza kay izy izao?
Zafera: Mbola hotadiavina.
T.T: Ahoana izany izao no fomba handaminanao ity raharaha ity ?
Zafera : Efa manana paikady izahay saingy tsiambaratelo izany. Miezaka izahay mba hampilamina azy haingana satria tsy mipetra-potsiny ny Fanjakana. Na izany aza dia tsy afaka manome fotoana aho hoe rahoviana no hifaranany.
T.T: Tsy matahotra hataon’ireo zandary miaraka amin’ny lietna kolonely Raymond ireo takalon’aina ve ianao raha sanatria miharatsy ny toe-draharaha?
Zafera: Araka ny efa nambarako dia miaramiko ihany ireo ka tsy hisy mihitsy izany.
T.T: Inona no teninao farany?
Zafera: Hafatra no atsipiko amin’ny vahoaka. Aoka isika tsy ho voarebireby amin’ny zavatra sahala amin’ireny. Tsy izaho jeneraly Zafera mihitsy no nampiantso vahoaka sy mpivavaka hiambina ny toby.
 
Fanadihadiana notontosaina omaly 20 mey 2010 tamin’ny 1 ora tolakandro tao amin’ny tobin’ny FIGN Fort Duchesne

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT