Araka ny tapaka teo anivon'ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny jeneraly Richard Ravalomanana indray manomboka izao no komandy ambonin'ny zandarimariam-pirenena, nasolo ny jeneraly Bruno Razafindrakoto
Ity farany moa dia nampidirina garazy, araka ny fomba fitenenana ka nalefa ao amin'ny Inspection Générale de la Gendarmerie. Ny mby tonga tao an-tsaina avy hatrany manoloana izao fanapahan-kevitra izao dia ny hoe : novidian'ny jeneraly Bruno Razafindrakoto lafo ny tsy mbola nahasamborana an-dRemenabila tao anatin'ny efa-bolana izao. Ny jeneraly Richard Ravalomanana rahateo manoloana ny ady amin'ny dahalo any atsimo, dia efa nilaza hoe : "vitako io raha alefa any aho". Taorian'ny nahazoany ny galona “Général de brigade», ihany koa dia efa nampoizin'ny maro ihany fa tsy maintsy hahazo toerana ambonimbony kokoa i Richard Ravalomanana. Na dia milaza ny ho tena matihanina tanteraka amin'ny asany sy tsy momba ny atsy na ny aroa aza moa ity jeneraly ity dia sokajian'ny maro ho anisan'ireo manamboninahitra tena akaiky an'i Andry Rajoelina. Asa koa na fifanandrifian-javatra fa andro vitsivitsy mialoha ny mety hiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto Madagasikara no niova ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, ka ilay jeneraly nilaza fa vonona ny haka azy tany Afrika Atsimo sy saika hisambotra azy tany Morondava tamin'ny 21 janoary 2012 ity no lasa komandin'ny zandarimariam-pirenena. Mibahan-toerana matetika ny lafiny politika amin'ny fanendrena tompon'andraikitra ambony tahaka izao, koa noho izany azo antoka tanteraka fa manana tanjona mazava amin'io fanendrena ny jeneraly Ravalomanana io i Andry Rajoelina.
Nahoraka be moa hatramin'izay fa tsy dia naharesy lahatra firy ny zandary ny fomba fitantanana sy ny fomba fiasan'ny jeneraly Bruno Razafindrakoto, indrindra fa tamin'ilay raharaha FIGN. Nandritra ny fitantanany dia nandeha be ihany koa ny resaka fa toa hoe nanjakan'ny kolikoly ny fampidirana ireo mpianatra ho zandary. Ka ho hita eo indray izay mety ho akon'ny fanendrena ny jeneraly Richard Ravalomanana, izay tsy mitsahatry ny misondrotra toerana hatrany isan-taona, nanomboka tamin'ny 2009. Mipetraka koa ny fanontaniana hoe misy ifandraisany amin’ny raharaha Nadine Ramaroson koa ve ity fanovana tampoka ny lehiben’ny fibaikoana eo anivon’ny zandary ity ? Re mantsy fa toa mpinamana akaiky ny jeneraly Bruno Razafindrakoto sy i Alain Ramaroson. Ity farany anefa nanonontonona anarana mpitondra samihafa, anisany ny jeneraly Richard Ravalomanana, mifaningotra amin’iny raharaha Nadine Ramaroson. Dia ho hita eo indray izany ny fivoaran’ny raharaha manomboka eto.
RTT
ENCADRE
Teo anivon’ny tafika indray dia ny Général de Brigade Rafanoharana Jean Gabriel manomboka izao no komandin’ny Faritany miaramila voalohany na RM1 etsy Analakely, ary ny kolonely Marcelin Henri Michel no komandin’ny Faritany miaramila fahafito na RM7 Antsiranana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.