Actualités

Jeneraly Razafindrakoto Bruno Nitsoaka ary tsy hiverina intsony?


  • Talata 25 Mey 2010

Nanoloana ny raharaha FIGN dia tsy hita intsony ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno.

Rehefa namoaka fanambarana ny kolonely Andrianjafy Raymond, ny alarobia 19 mey teo miantso ny olona rehetra tsy ankanavaka ho tonga eny Mausolée ny alakamisy 20 mey dia iny ihany, araka ny fantatra, dia naka “visa” ho any Frantsa ity jeneraly ity. Tsy nisy nahalala izay anton-diany any fa gaga avokoa ireo mpitondra ambony ao amin’ny FAT rehefa tsy nahita azy intsony ny alakamisy maraina nitrangan’ny fifampitifirana teny Fort Duchesne. Ny alarobia alina izy no niala teto an-tanindrazana ary mandeha aza ny resaka fa somary nisy ihany ny an-terisetra tamin’ny nahazoany ny “visa”.

Re ary ankehitriny fa tsy maintsy hosoloina ity komandin’ny zandary ity ka ny lefiny voalohany ihany no mety handimby azy dia ny jeneraly Manankay Augustin izany. Na izany na tsy izany nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny tontolon’ny zandary iny zava-nitranga teny amin’ny FIGN iny. Misy fizarany mihitsy aza ny zandarimariam-pirenena taorian’iny.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT