Actualités

Jeneraly Rakotoarimasy Lucien Nandady rariny tamin’ny miaramila


  • Talata 16 Novambra 2010


Manoloana ny fiantsoana ny miaramila nisesisesy tato ato mba handray andraikitra manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao dia nandady rariny mba tsy hilazana ho niangavy mihitsy ny Jeneraly Rakotoarimasy Lucien, ministry ny Fiarovana, omaly teny amin’ny birao fiasany eny Ampahibe raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. «Miangavy anareo miaramila aho izay alaim-panahy hanao izany mba hijery ny tombontsoan’ny firenena fa tsy tombontsoan’olo-tokana», hoy izy. Tamin’ny fanambarana izay nataony kosa dia tsy nisy na fitenenana iray aza milaza fanamelohana izay miaramila handray fepetra na ho mety fandraisana fahefana mihitsy.

Niova ny fomba fijerin’ity jeneraly ity araka ny fandinihan’ny maro. Fantatra ihany koa mantsy fa nisy ny firesahany tamin’ny finday tamin’ireo manamboninahitra izay efa manomboka miseho tsy manaiky ny herim-pamoretana atao amin’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Mivoatra isan’ora ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ! 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT