Actualités

Jeneraly Paza Didier Gérard « Zon’Atoa Alain Ramaroson ny maneho hevitra»


  • Zoma 03 Aprily 2015

Taorian’ny nisamboran’ny Emmo-Far an’Atoa Alain Ramaroson filohan’ny antoko Masters tetsy Vassacos ny herinandro lasa teo dia nanambara ny sekretera miadidy ny zandary fa zon’ity mpanao politika ity ny maneho ny heviny rehefa mahazo alalana izy.

 


«Zon’Atoa Alain Ramaroson ny maneho ny heviny manoloana ny toe-draharaha ara-politika misy eto Madagasikara», hoy ny Jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria omaly tetsy Anosy nandritra ny fankalazana ny faha-46 taonan’ny zandarimariam-pirenena malagasy. Ny anjaran’ny zandary dia ny mitandro ny filaminana sy miaro ny andrim-panjakana misy amin’ny fomba matihanina, araka ny fanazavana voaray hatrany. Tsy nanafintohina ny minisitry ny zandary mihitsy ny fanambaran’Atoa Alain Ramaroson, filohan’ny antoko Masters ny mbola hitarika hetsika indray aorian’ny fankalazana ny fetin’ny Paska. «Rehefa mahazo alalana amin’ny tompon’andraikitry ny tanàna izy dia mahazo maneho hevitra izy izany», hoy hatrany ny Antsivan’ny zandary. Ny fianakaviamben’ny zandarimaria izay nifamotoana tetsy amin’ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena nankalaza ny 1 aprily andron’ny zandary sy ho fahatsiarovana ny nandraisan’ny Malagasy voalohany ny fibaikoana ny zandarimaria. Nandritra izany no nampatsiahivan’ny Antsiva ny asan’ny zandary sy ny maha akaiky ny vahoaka azy hatrany. Nandritra ny fety fankalazana no nanoloran’ny mpanolotsaina ara-politikan’i Sina ihany koa fitaovam-pianarana ho an’ireo zanaky ny zandary maty am-perinasa sy fitaovan-tserasera toy ny paositra radio, kamera, solosaina, ary radio HF avy tamin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nisy fampideram-pahaizana nataon’ny zandary koa teo Anosy tamin’io omaly io.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT