Mamaly ireo manaratsy ny zandary ny jeneraly Paza Didier Gérard, sekretera miadidy ny zandarimariam-pirenena tao amin’ny Radio France international.
Tsapa ho tena mampalahelo ity lehiben’ny zandary ity ny fanenjehana sy ny fanasoketana atao ireo miaramilany ho mpanao kolikoly. Araka ny tatitry ny Bianco, raha ny filazan’ny RFI dia iray amin’ireo sampan’asa tena anjakan’ny kolikoly ny zandary. Ho an’ny jeneraly Paza koa dia eo ihany ny zandary manao kolikoly fa ny tena anehoany ny alahelony dia ny fidiran’ireo mpanao politika sy tompon’andraikitra sivily amin’ny fibaikoana ireo zandary sy indrindra eo amin’ny famindran-toerana azy ireo. Tsy tian’ireo tompon’andrakitra ireo ho hitan’ny zandary ireo ny zavatra tsy mety ataony angamba dia terena fotsiny izao na ny fanendrena olona amin’ny andraikitra iray na ny fampiakarana ny gradiny. Ampahany amin’ny fanambarana nataon’ny jeneraly Paza izany mba nanehoany koa ny alahelony.
Ankoatr’izay dia nasian’ity jeneraly ity teny ihany koa ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena sy ny mpiasan’ny ladoany. Tokony hisy lalàna vaovao hamaritra ny asan’ny tsirairay, hoy ny nambarany dia samy tompon’andraikitra amin’izay.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.