Nijery ny zava-misy teny amin’ny foiben’ny fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana teny Ambohidahy sy ny manodidina azy omaly ny jeneraly Florens Rakotomahanina lehiben’ny Emmo reg.
Nambarany nandritra ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra hitandroana ny fandriampahalemana mba hahafahan’ny HCC miasa am-pitoniana. Nahitsy ihany koa ny jeneraly Florens raha nilaza fa tsy hiala izany izy na dia teo aza ny fangatahana izany nataon’ireo depiote Mapar. Tsy ny depiote no mibaiko ka afaka manala manamboninahitra ambony amin’ny asany, hoy izy fa manana ny lehibehiko aho, ka izy irery ihany no manapa-kevitra. Nanome baiko hentitra ireo emmo reg tonga teny Ambohidahy moa ity manamboninahitra jeneraly ity mba hanaparitaka avy hatrany ireo andian’olona nivorivory teny amin’ny manodidina raha toa ka manakorontana na mitabataba izy ireo. Tsy nisy kosa anefa ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso fa dia nanaiky niala tsimoramora ihany ireo andian’olona nitangorona rehefa natosiky ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.