Actualités

Jeneraly FAT Ny kintana 2 no mibaiko kintana 4


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010


«Manahirana anay mihitsy ny mijery ilay polisy milanja galona jeneraly amin’ny Emmo-Reg nefa kolonely no mibaiko azy. Tsy vitan’izay fa tena nosimban’izao fitondrana izao mihitsy ny hasina maha miaramila anay. Ny praiministra milanja kintana roa. Ny ministry ny Foloalindahy kintana telo ary ny minisitry ny Raharaham-bahiny milanja kintana efatra. Tsy vitan’izay fa rehefa misy ny lanonana iarahan’izy ireo dia samy manao fanamiana avokoa. Dia ilay kintana 4 no mitoraka «salut» ilay kintana roa. Mahonena mihitsy», hoy ny manambonihaitra iray.

Tsy vitan’izany ihany fa na famindram-pahefana amin’ireo toby fibaikona ny miaramila eto Madagasikara aza dia tonga manatrika izany foana ny jeneraly Vital. Mahonena satria ny ministry ny Foloalindahy milanja kintana telo tsy lavitra azy eo samy manao fanamiana miaramila. Ilay kintana roa indray, araka ny harofenitra, no miteny farany rehefa mandray fitenenana. Nanakianana ny fitondrana Ravalomanana mafy ny toy izany ary nitarika ny fanonganana azy mihitsy, nefa hay mety izany ankehitriny matoa tohizana, fa halako bika tsy tiako tarehy avokoa ny ankoatra izay.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT