Actualités

Jeneraly Desiré Ramakavelo “Tsy tokony ho teny ofisialy ny teny frantsay”


  • Alakamisy 28 Oktobra 2010


Efa tena tsy rariny ary sangy mihoatra ny loha, araka ny fitenintsika Malagasy mihitsy ny nitranga tany Montreux Soisa nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia farany teo, araka ny filazan’ny jeneraly Ramakavelo azy. Ho an’ity mpikambana ao amin’ny CST ity dia tsy mety loatra ilay hoe tsy nahazo taratasy fanasana ny mpitondra malagasy kanefa dia anisan’ny lohahevitra nodinihan’ny fivoriambe ny momba ny toe-draharaha eto Madagasikara. Efa ampisehoan’ny OIF amin’izany fihetsika izany, hoy izy fa tena tsy manaja antsika mihitsy ry zareo ary tsy te hahalala ny tena zava-misy marina eto. Noho izany tranga izany ary dia nandroso soso-kevitra ny jeneraly Desiré Ramakavelo hoe aleo esorina ao amin’ny volavolan-dalàmpanorenana mihitsy ilay hoe teny frantsay teny ofisialy eto Madagasikara.

Tokony hanetsika ny hambom-pom-pirenena ny tranga tahaka ireny, araka ny nambarany, ary tsy tokony havela handalo fotsiny dia tsy misy tohiny rehefa avy eo. Tsy resaka politika mihitsy izany rehetra izany fa fanehoan-kevitra amin’ny maha olom-pirenena tsotra sy akademisianina ahy, hoy ihany Ramakavelo Désiré Philippe. Efa tena atao tsinontsinona mihitsy isika, hoy ihany izy namarana ny fanehoan-keviny ka asakasak’ireo izay mbola hanaiky atao izany ihany.

 RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT