Nanako nanerana an’ireo onjam-peo samihafa omaly alakamisy 16 aprily fa nodimandry ny alarobia teo ilay mpihira fanta-daza Jeannot Razakandraina.
Tena nahafantaran’ny maro azy ary noventsoin’ireo tia mamonjy Karaoke etsy sy eroa ilay hira mitondra ny lohateny hoe “Ny hafanana”. Mila izany hafanana izany tokoa ny rehetra saingy nentin’ny lehilahy any amin’ny fiainan-tsy hita izy io ankehitriny. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo izahay eto amin’ny Tia Tanidrazana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.