Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 22 martsa tetsy amin’ny IKM Antsahavola ny boky vaovao nosoratan’ny profesora Jean Théodore Ranjivason mitondra ny lohateny hoe « Fampanjariana ny fanabeazana ».
Antony namoahana ity boky be ahitana 315 takila ity, raha ny fanazavana, dia satria mijanona ho taratasy fotsiny ihany ny voka-pikarohana raha tsy misy fampiharana. Efa im-pito niova ny endri-panabeazana teto Madagasikara dia ny taona 1960, 1962, 1976, 1978, 1994, 2004, 2008. Efa manangasanga koa ity ny fanim-balony, nefa raha ny hita hatramin’izay dia rafitra malala-drafitra foana fa tsy mba nasongadina ny vontoatim-panabeazana. Voarakitra ao anatin’ity boky ity ny ezaka azo atao ihoarana ny dingana efa nahazatra rehetra. Anisan’izany, ohatra, ny vina amin’ny hananganana sekoly ambony manokana hanofanana mpampiofana momba ny fanabeazana. Ireo voaofana amin’izay mba afaka mampiofana indray ireo mpampianatra eny amin’ny lisea ka hatramin’ny ambaratonga fototra mba hanarenana izao fitotogan’ny fanabeazana eto amintsika izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.