Actualités

Jean Nirina - HAFARI Nifamela tamin'ny olona nitory azy


  • Zoma 24 Febroary 2017

Nifamela tanteraka ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina sy Ramatoa Joella Anthony Ndakana, ilay renim-pianakaviana nitory itsy voalohany momba ny resaka fitazonan’olona an-keriny, ka nampiditra am-ponja azy.

 Nanambara ampahibemaso Ramatoa Joella omaly fa efa nanatsoaka ny fitoriany teny amin’ny fitsarana sady tsy hangataka onitra. Nanaiky ny tsy hanenjika azy intsony ihany koa ny filohan’ny HAFARI nandritra ny fitsidihan’itsy voalohany azy teny amin’ny hopitaly afak’omaly. Vonona ny hanohy ny tetikasany izy mianadahy ireto hahafahana mampandroso ny firenena. Notsindrian’i Joella fa nentin’ny fony izy no nahatonga azy nitory ny filohan’ny HAFARI Malagasy ka tsy tsaroany intsony ny maha mpanompon’Andriamanitra azy. Tato anatin’ny iray volana anefa dia tsy napetraky ny fanahy masina izy fa tsy maintsy mamela heloka, antony nanatsoahany ny fitoriany, izay rahateo no iraka nampanaovin’i Jesosy azy. Nisaotra azy tanteraka ny pastera Rasolonjatovo Roland, mpampianatra soratra masina eo anivon’ny fikambanana HAFARI. Raha mitohy ny fihetsika tahaka izao dia hihena ny olona miditra eny am-ponja, izay mbola nanaovany antso avo ho an’ireo olona maniry ny hifampiresaka amin’izy ireo mba hisian’ny fitoniana sy ny fifamelana. Marihina moa fa efa nampiditra ny taratasy mifandraika amin’izany eny amin’ny fitsarana Ramatoa Joella ary nilaza ny mbola hifampiresaka amin’ny mpisolovava azy ihany koa. Mahatoky ny fahendren’ny fitsarana ny mpikambana eo anivon’ny HAFARI ny amin’ny hivoahan’ny didy amin’ny 28 febroary ho avy izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT