Nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina taorian’ny nakana am-bavany azy teny amin’ny Fitsarana.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia resaka fitakiana ny kianja filalaovam-baolina eny Anosizato izay nisy nivarotra tamina karana no niandohan’ny raharaha. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety in-droa miatoana nataony tamin’izany ka ny voalohany fitakiana ny fanokafana ny lalam-pirenena RN1 etsy Anosizato Atsinanana izay nisy namefy ihany koa raha ity kianjan’Anosizato izay efa nisy namefy ity koa ny faharoa. Nosamborin’ny zandary eny Itaosy ny lehilahy ny sabotsy lasa teo ary notazoniny nandritra ny 48 ora tao amin’ny violon.Tera-tany karana misoratra amin’ny tany no voalaza fa mpitory azy ka anisan’ny vesatra hanenjehana azy ny fandrahonana ny mpiasan’ity karana ity eny Anosizato sy ny fitakiana vola. Niaraka tamin’ny vavolombelona ny mpitory omaly nandeha teny amin’ny fitsarana Anosy raha nanana ny azy ihany koa ny filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy. Tamin’ny ora farany anefa dia nalefan’ny fitsarana eny am-ponja vonjimaika ny tenany raha amin’ny 27 aprily ho avy izao kosa ny fitsarana. Teny farany navoakan’ity filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy ity moa ny filazana fa tsy kivy ny tenany no sady tsy matahotra. Vonona aho hoy izy ny hanavotra an’i Madagasikara ary hampanjaka ny fahamarinana. Mbola nampahery ireo mpikambana rehetra ao aminy izy nandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.