Niakatra fitsarana teny Anosy indray omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina rehefa in-droa nangataka fahafahana vonjimaika saingy tsy nahazo.
Toraka izay ihany koa ny fihemoran’ny fitsarana efa in-droa miatoana. Ora maromaro no niatrehany fitsarana, taorian’ny 12 volana nidirany teny am-ponja. Fantatra tamin’izany fa hivoaka ny 25 jolay ho avy izao ny didim-pitsarana momba azy, indrindra fa tamin’ilay raharaha hany tokana nihazonana azy teny am-ponja dia ilay fandrodanana trano hazo tetsy Andrefanambohijanahary navadika ho trano biriky. Nahazoany fahafahafana vonjimaka daholo kosa ny ambiny tamin’ireo fitoriana azy rehetra izay tsiahivina fa nahatratra 100 mahery. Vonona hiandry ny didim-pitsarana am-pitoniana moa ity filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.