Actualités

JEAN NIRINA - Hafari Malagasy Enim-bolana an-tranomaizina no saziny


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ireo karazana raharaha nanenjehana ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina ka nitazonana azy am-ponja vonjimaika.

 Anisan’ireny ny fanolanana sy ny fitazonana olona an-keriny izay nahazoany fahafahana madiodio avokoa. Sazy mihatra enim-bolana an-tranomaizina kosa no azony tamin’ny resaka herisetra sy hetraketraka raha dimy volana mahery no efa vitany tany am-ponja. Mbola nahazoany fahafahana  madiodio ihany koa  ireo  karazana fitoriana folo vaovao izay vao nanenjehana azy, afak’omaly, ka niakarany teny anivon’ny fampanoavana. Faly tamin’ireo didim-pitsarana ireo  ny filohan’ny HAFARI Malagasy tamin’ny ankapobeny ary nankasitraka feno ny fitsarana tamin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany. Na izany aza dia fantatra fa mbola hampiakatra fitsarana ambony ny tenany raha efa notsoahiny daholo ireo karazana fitoriana nampidiriny saika hamaliany ireo nitory azy. Mbola hangata-pamelana  amin’ireo olona nanana alahelo taminy ihany koa izy hanafoanana tanteraka ny olana sy ny savorovoro nisy teny anivon’ny fiarahamonina teo aloha.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT