Actualités

Jean Nirina HAFARI Aleo fidiana ny sefom-pokontany


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Naneho ny heviny mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy, omaly, nandritra ny asa fanadiovana faobe nandraisan’izy ireo anjara.

 Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsara sy mety raha fidiana ny sefom-pokontany eto amintsika fa tsy tendrena toy ny  nahazatra hatramin’izay. Ny  fampiharana ny rafitra ifotony ihany mantsy no hahafahana mampandroso ny firenena sady mampiray hina sy mampifankatia ny mponina ao amin’ny faritra iray. Vonona ho amin’izany ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Efa ananany ny traikefa, indrindra fa amin’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka izay efa natombony taona maro lasa izay. Omaly, ohatra, dia toerana 4 no nanaovan’ny fikambanana asa fanadiovana ka nampandraisany anjara ny vahoaka eny ifotony mivantana. Tao ny fanadiovana nataon’ny mpikambana tao amin’ny biraon’ny Hafari sy ny manodidina azy teny Anosizato, teo koa ny notanterahina tetsy Namontana izay anisan’ireo toerana hananganana an’ireo trano mora ho an’ny fianakaviana Malagasy tsy mbola manana izany ka ireo lalana mamotaka sy feno rano vokatry ny fandalovan’ny rivodoza no nototofana. Nomeny tohana ihany koa ny kaominina Ivato tamin’ny alalan’ny fanomezana fiarabe nentina nanadiovana ny tanàna…Nisy ny fanentanana nataony mba hitohy mandavan-taona ny asa ho fiarovana ny fahasalaman’ny mponina.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT