Tsy tokony hampitaintaina na hampanahy ny tetibola hampiasain’ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI, araka ny nambaran’ny ministry ny atitany, Jean, satria misy sady ampy tsara ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana.
Araka ny fanazavany dia tsy faritana mialoha mihitsy ny vola ampiasaina fa arakaraka ny asa atao ihany. Raha sanatria tsy ampy ny vola nomena dia afaka manampy izany ny fitondram-panjakana araka ny fanazavan’ny ministry ny atitany ihany. Mbola karazana asa savaranon’ando no ataon’ny CENI amin’izao fotoana hoy izy, ary rehefa tonga ny fotoana mampitombo ny asa dia tsy maintsy avoaka ny vola. Mbola ny avy any amin’ny fanjakana ihany aloha hatramin’izao ny loharanom-bola rehetra hiasan’ny CENI fa tsy misy mihitsy ny fanampiana ara-bola hafa, na famatsiam-bola avy any ivelany. Fa mahakasika izay resaka CENI izay ihany dia nanamafy ny avy ao amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara fa tsy hanolotra solontena any amin’ny distrika mihitsy aloha izy ireo raha tsy voavaha ny olana mikasika ny karama sy ny tambin-karaman’ny mpitsara. Ity fitakiana ity moa, araka ny nambaran’izy ireo dia tsy zava-baovao tsy akory fa fangatahana ny fampiharana ny efa tapaky ny filankevitry ny ministra tamin’ny 2008. Manamafy moa ny avy ao amin’ny SMM fa tsy misy ambadika politika velively araka ny tsaho ezahana aely etsy sy eroa fa tena fitakiana ny zon’ny mpitsara madiodio ity ataon’izy ireo ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.