Ofisialy izao fa lasa mpiambina manokan’ny mpandraharaha mpanefoefo Naina Andriantsitohaina i Jean Marc Koumba (JMK), ilay teratany Gaboney metisy Alemana, efa tompondaka erantany amin’ny taranja kick boxing ary mpiambina manokana an’i Marc Ravalomanana ny taona 2001 ka hatramin’ny 2005.
Miaro an’Atoa Naina Andriantsitohaina sy ny fianakaviany aho, hoy i Koumba ary mitondra ny anjara birikiko amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny araka ny antso nataon’ny filohan’ny repoblika aho. Tsara homarihana fa anisan’ireo mpandraharaha Malagasy manana ny maha izy azy i Naina Andriantsitohaina izay tompon’ny Trano printy NIAG, ny orinasan-gazety Ultima Media, ny banky BMOI ary ny PROCHIMAD. Nisy naka an-keriny ny zanany lahy ny 22 desambra 2017 ka inoana fa izay no nahatonga azy hanamafy ny fiarovana sy fiambenana azy sy ny fianakaviany. Tompony sady mpitantana ny trano fandraisam-bahiny Antsaha any Antsirabe mialoha izao niverenany amin’ny asa nahazatra azy hatramin’izay izao i JMK. 2ème dan amin’ny haiady karaté, tepana mainty 4ème dan amin’ny Kick-Boxing, mpianatry ny Me Kanazawa, 10ème Dan Karaté style Shotokan i Jean Marc Koumba ary niofana manokana ny amin’ny fiarovana olo-manan-kaja. Nosamborin’ny fitondrana tetezamita ary nogadraina izy ny volana novambra sy desambra 2014 satria nampangaina fa niray tsikombakomba tamin’ny fidiran’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Efa nanamafy anefa ity filoha teo aloha ity fa tsy misy nidiran’i Jean Marc Koumba mihitsy ny nidirany teto. Raha nanolo-tena hiaro an’i Lalao Ravalomanana indray izy avy eo dia nampanantsoin’ny zandary ka tsy navela nanatanteraka io asa io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.