Actualités

JCI ILON’IARIVO Dylan Ramanoara no filoha vaovao


  • Talata 31 Janoary 2017

Nahazo filoha vaovao ny fikambanana JCI Ilon’Iarivo. Ramatoakely Dylan Ramanoara indray, tanora vao herotrerony, no voafidy hitantana ny fikambanana taorian-dRamatoakely Gaelle Pless, filoha teo aloha.

Ny  faran’ny herinandro teo no nanaovana famindram-pahefana tetsy  Antaninarenina,  natrehin’ireo mpikambana maro fotoana izay nanaovan’izy ireo fihaonambe ihany koa.  Anisan’ny asa imasoan’ny filoha vaovao  manomboka amin’ity taona 2017 ity ny fanatsarana ny fifandraisana eo anivon’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana mba hahafahana manitatra  sy manatsara hatrany ny asa. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fiofanana omena ny mpampianatra eny anivon’ny sekoly. Tsy latsa-danja amin’izany ny fiantsoana ny tanora rehetra mba hiditra ho mpikambana eo anivon’ny JCI. Hanomboka hiditra amin’ny fampiofanana ireo mpikambana ihany koa mantsy ny JCI Ilon’Iarivo. Anisan’ny tanjony ny hahamatihanina ny tsirairay eo amin’ny resaka fomba fiasa. Ho an’ny filoha teo aloha Gaelle Pless kosa dia nahafa-po ny mpikambana rehetra ny fomba fitantanany, indrindra ny namoaboasany ireo asa vitany toy ny fanampiana ny sekoly tsy miankina Victoire narahin’ny  fanazavana mikasika ny vola nivoaka sy niditra rehetra izay tamin’ny antsipiriany tokoa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT