Actualités

Jazz Tohatohabato andininy faha 5 Tolotra 5 no homena ny mpanjifa mandritra ny 5 andro


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Feno 5 taona ny nanatanterahana ny hetsika Jazz amin’ny Tohatohabato teto Antananarivo ka nahatsapana fa fahombiazana hatrany no hita tamin’ireo andiany 4 teo aloha izay nahavoriana olona 3 000 isaky ny andiany.

 

Nisy ny fifanakalozana tsy ho hay hadinoana  teo amin’ny Malagasy sy ireo vahiny nasaina manokana handray anjara tamin’ireo andiany ireo, hoy Rtoa Raveloson Randza avy amin’ny CGM izay tompo-mariky ny fisian’ity hetsika ity, na dia natokana ho antsika Malagasy manokana kosa aza ity andiany faha-5 ity. Nomarihan’ity mpandrindra ny hetsika koltoraly ao amin’ny CGM ity fa natao indrindra hanomezana lanja ny Jazz Club ao amin’ity foibe ara-tsaina ity ny hetsika amin’ny ankapobeny, raha natao hampisongadinana ny harentsain’ny tanàna kosa, hoy ny solontenan’ny CUA nandray fitenenana omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Amin’izao tsingerin-taona faha-5 izao dia tolotra 5 ihany koa no hatolotry ny hetsika Jazz amin’ny Tohatohabato ho an’ny vahoaka. Hetsika ara-java-kanto moa izy ity fa tsy “festival” toy ny mahazatra ka misy ny fanasana mpanakanto  tsy mpanao Jazz, toa an-dry Baba, Seva, Zanba valiha ary ny mpitsoka “fanfara” avy amin’ny mpanao hiragasy maro.  Hanomboka ny alarobia 10 jona ao amin’ny Tranompokonolona Analakely amin’ny alalan’ny Jazz KIDS handraisan’ny ankizy maro anjara ny hetsika, handalo amin’ny Jazz VIP ao amin’ny CGM ny alakamisy, hitety kartie toa an’Ankazomanga, Mahamasina ary Ambohipo ny zoma amin’ny alalan’ny “camion plateau” hatao lapihazo, hitohy amin’ny Jazz STREET eny amin’ny Tohatohabato Antaninarenina  ny sabotsy ary hofaranana amin’ny  “Grande scène” etsy amin’ny arabe manoloana ny tohatohabaton’Antaninarenina ka hahatapaka ny lalana eny an-toerana ny alahdy 14 jona 2015.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT