Actualités

Izay vao taitra Ramatoa minisitra “Hitory an’i Houcine Arfa aho”


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Efa 40 taona izao no naha tao amin’ny fitsarana ahy ary andraikitra maro no efa nosahaniko, ary dingana maro no efa nolalovako.

 

 Ireo mahafantatra ahy dia mahalala tsara ny toetrako, hoy ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine manoloana ny fanambaran’i Houcine Arfa fa nandoa volabe 70 000 Euros tamin’ity minisitra ity ho sandan’ny fahafahany. Maro koa ireo namana sy ireo mpiara-miasa izay nampiseho sy tonga mihitsy nampahery ahy tamin’izao fanendrikendrehana izao, hoy izy, enina andro aty aorian’ilay fanambaran’io Frantsay io. Nambaran’ny minisitra fa mba handotoana ny fitsarana Malagasy sy ny tenany manokana io satria izy no nangataka voalohany ny hanenjehana an’i Houcine Arfa.  “Tsara ny manipika fa ny filoha sy ny paiminisitra, dia mahatoky ary mbola mamerina ny fitokisany ahy amin’ny fanatanterahako ny vinako”, hoy izy. Nahavita heloka tsotra sy bevava teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izy ka tsy maintsy hotsaraina na eto na any an-toeran-kafa. Nambaran’ny minisitra fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary efa namoaka didy ny fitsarana Malagasy araka ny fahaleovantenany tsy mitanila. Tsy maintsy hefainy ny saziny 3 taona an-tranomaizina, ka izay no nahatonga ny fitsarana Malagasy handefa didy fampisamborana iraisam-pirenena. Efa nohetsehina ny fifanarahana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana, ary mizotra araka ny tokony ho izy. Tena manaiky ny fivoahany hotsaboina tamin’ny 14 desambra ny tenako, ary iny no nohararaotin’ny “médecin chef” hamoaka azy ny fonja tamin’ny fotoana hafa tsy nahazoana alalana. Ireo mpandraharaha ny fonja dia nanapa-kevitra manokana hivily tany amin’ny hopitaly tsy miankina fa tsy ny hopitalim-panjakana, hoy izy. Manao antso avo mba samy ho tony ary efa eo am-pelatanan’ny fitsarana ny raharaha mikasika iny fitsoahana, ary hametraka fitoriana amin’ny fitsarana mahefa aho mikasika an’izao fanendrikendrehana sy fitoriana tsy ara-drariny izao, hoy izy namarana ny teniny. Maro no mahita fa efa tara ihany ny fihetsik’ity minisitra ity ary raha tany amina firenen-kafa dia efa tokony nosoloina izy raha toa ka tsy tonga saina nametra-pialana. Alefa ny fanadihadiana lalina avy eo hamantarana ny tena marina rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT