Nisehoana horohorontany tany tany amin’ny faritra Antsirabe omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny roa maraina. Toerana maro toa an’i Betafo hatrany Ambositra no niantefany.
Tsy nisy kosa ny fahapotehan-javatra be naterany na somary nahery ihany aza io horohorontany io, araka ny fampitam-baovao. Raha tsiahivina, ny 12 janoary 2017 no nisy horohorontany mahery vaika nahatratra 5,9 Richter tany amin’iny faritra Antsirabe, ary naharitra 58segaondra. Ny IOGA (Institut et Observatoire de Géophysique d'Antananarivo), izay sampandraharaha misahana ny fandinihana ny fihetsiky ny tany eto amintsika, manana ny foibeny eny Ambohidepona no misahana ny fandinihana ny toe-javatra tahaka izao. Raha ny vaovao azo, mandalo olana io ivontoerana io amin’izao fotoana. Hatramin’ny 5 oktobra 2017 no notapahana ny jiro tao an-toerana fa tsy voaloa ny volan’ny Jirama. Raha sanatria miseho tampoka ny horohorontany mahery vaika, dia efa tapohiny eto ny rehetra. Voalaza moa fa efa an-dalana ny famahana ny olana. Tsy ampahafirin’ny minisitera na tranom-panjakana tsy mandoa vidin-jiro io ivontoerana io. Tsy ahiana angamba ny horohorontany ary tsy ilaina ny fandinihana ny fihetsiky ny tany eto amintsika !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.