Tsy tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia maneran-tany isika eto Madagasikara entina hanampiana ny tanora malagasy. Nahazo ivontoerana avolenta fikirakirana ireo fitaovana nomerika isan-karazany isika antsoina hoe :
FABLAB mamiratra, voalohany eto Madagasikara raha faharoa aty amin’ny faritr’i Afrika. Etsy amin’ny foiben’ny SOS Village d’enfant Andrainarivo no misy azy io, azon’ireo mpianatra rehetra eny amin’iny faritra iny hampiasaina ankoatra ireo tanora mpianatra beazina ao amin’ny SOS Village d’enfant izay tena mahazo tombontsoa mivantana. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, fanomezana avy tamin’ny Fondation Orange izay miezaka hatrany ny manohana sy manampy ireo sekoly 58 isa eto amintsika ho lasa sekoly nomerika. Tanjona ny hahafahana mampanofy ny tanora amin’ny fikirakirana ireo fitaovana avo lenta ireo toy ny famoronana sary 3 D…hahafahany manitatra izany ho asa fivelomana, miankina amin’ny safidiny. Hanatanteraka forum des metiers mifandraika amin’izany moa ny Orange amin’ity faran’ny herinandro ity ka anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny fitsidihana ny FABLAB fotoana hahafahan’ireo tanora manararaotra manontany ireo injeniera manampahaizana. Tsiahivina moa fa FABLAB miisa 32 no misy maneran-tany raha firenena miisa sivy monja no manana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.