Actualités

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono


  • Zoma 17 Novambra 2017

Hanokafana toerana fizarana fisotroan-drononon’ny zokiolona eny Ivato. Hanomboka amin’ny volana janoary 2018 izany raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.

Hanala fahasahiranana ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono eny Ivato sy ny manodidina ity fanatonana ny toerana fizaram-bola ity. Hatramin’izao mantsy dia eny Ambohidratrimo no fandraisana ka voatery manenjika taksibe vao maraimbe, miaritra ny filaharambe mandritra ny ora maro, hany ka misy safotra eo am-pilaharana mihitsy. Indraindray aza lasibatry ny mpanendaka, ka afoy ny kely mba azo. “Mitsimbina ny sokajin’olona rehetra eto an-tanàna no anjara asako eto amin’ity toerana maha ben’ny tanàna ahy ity. Mampalahelo ny mijery ireo raiamandreny efa voky taona mitanin’andro sy reraky ny filaharana rehefa misotro ronono. Mendrika azy ireo ny hanokafana toerana sahaza azy sy manakaiky azy hanaovana ny fakana ny fisotroan-drononony”, hoy ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.  Namaly ny antso ny fitondram-panjakana foibe ka izao tanteraka izao ny fanirian’ireo beantitra an’aliny.  


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT