Efa telopolo taona eo no nahafantarako an’i Madagasikara ary tamin’ny taona 2002 dia nitsidika matetika an’i Nosy Be…
Amin’ny maha mpandraharaha ny tenako dia efa hatry ny ela aho no naniry mafy ny hampifanakaiky ny mpitondra ny firenena roa tonta (Italia-Madagasikara) mba hisian’ny fifampiresahana bebe kokoa sy hisian’ny fifandraisana ara-barotra bebe kokoa eo amin’izy ireo, hoy i Ciro Visone. Afaka niara-nikarakara tamin’ny tompon’andraikitry ny Masoivoho Malagasy ny fihaonan’ny filoham-pirenena roa tonta aho, ka nanararaotra ny fitsidihana ofisialy efa voakarakaran’ny FAO ho an’ny filoham-pirenena Malagasy taty Roma. Eo am-panomanana ny fihaonana hatao ao Antananarivo izahay ny volana aprily ho avy izao, hahitana ireo mpandraharaha Italiana azo antoka, izay nampiseho fa liana amin’i Madagasikara izy ireo, ary naneho ny finiavan’izy ireo ny hiasa ho an’ny tombontsoan’ny firenena. Momba ny “Chambre de Commerce et d’Industrie Italie-Madagascar” dia tsy nahazo fankatoavana eto i Italie. Ny antony dia satria mila miasa farafahakeliny 2 taona any ivelany vao afaka hiasa any Italie. Mikasika ny orinasa “Hill Insurance Company LTD” any Gibilterra, dia izaho tompony no nampanao “liquidation volontaire” an’io orinasako io tamin’ny volana agositra 2012. Nahatratra 130 tapitrisa Euros ny “chiffre d’affaires” an’ny orinasa tamin’ny taona fahefatra niasany fotsiny. Voatery aho nanao “Liquidation volontaire” azy io, satria adidiko izany mba ho fitandroana ny didy aman-dalàna sy hitandrovana ny hasina mahaolona ahy. Vokatr’izany ary dia olona roa no voaheloky ny Fitsarana an-tampony any Gibilterra, sady ara-keloka bevava no ara-pamaizana io satria nanararaotra ny andraikitra notazoniny izy ireo. Ny zavatra tsy azo lavina ary azo hamarinina tsara dia ny hoe: madio ny “casier judiciaire” ananako, hoy izy. Momba ilay hoe maha talen’ny orinasa antsoina hoe Viola Assurance et Réassurance”, dia efa voarakitra ao anatin’ny “Gazetim-panjakanan’ny Repoblikan’i Madagasikara, taona faha-131 N3648 ny alatsinainy 2 novambra 2015”, “...arrêté n°15 944/2015 - MFB/SG/DGT7DOF7SCA du Ministre des Finances et du Budget, 4 mai 2015” izany hoy izy. (…) Naleoko notazonina tsy hiasa aloha izy io mandra-pahazoako fitokisana momba ny toe-draharaha ara-politika sy ara-toekarena any Madagasikara. Mino aho ankehitriny fa tonga ny fotoana mahamety izany, koa raha sitrapon’Andriamanitra dia hanomboka hisokatra amin’izay ny “Viola Assurance et Réassurance” amin’ity taona ity, hoy i Ciro Visone.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.