Actualités

IT University Efa misy mpamandrika sahady ny mpianany


  • Alatsinainy 24 Septambra 2012

Oniversite tsy miankina manofana maripahaizana ambony momba ny informatika ny IT University eny Andoharanofotsy.

 Maripahaizana telo no omeny dia ny “licence” izay efa nahazoana “habilitation”avy amin’ny fanjakana, ny injeniera ary koa ny dokotera. Hany sekoly ambony mpiara-miombonantoka amin’ny Microsoft IT Academy ny IT University izany hoe ity orinasa iraisam-pirenena ity no manome ny “logiciel” ampiasaina amin’ny fampianarana.Vokatr’io fiaraha-miombonantoka io dia miditra maimaimpoana amin’ny tranokalan’ny Microsoft mahazo fanampin-desona ny mpianatra. Ankoatra izay dia ivotoeram-panadinana ho an’ireo izay maniry haka “certification Microsoft” ny IT University. Isany nandray anjara tamin’ny “Salon It-B” tetsy amin’ny Carlton ity oniversite tsy miankina ity ary maro dia maro tokoa no liana amin’ny tolotra omeny. Tsy ny mpianatra ihany fa hatramin’ireo orinasa ihany koa.

Ao ireo nangatam-panazavana momba ny fanamafisana ny fahaizamanao eo amin’ny sehatra informatika ho an’ny tale na teknisiana ambony amin’ny orinasany fa nisy koa anefa ireo mpandraharaha namandrika sahady ireo mpianatry ny IT University. Avy dia handray ny mpianany izao ny orinasa CEF SGP, ny Setex ary ny Birger Indian Ocean izay samy mpandray anjara tamin’ny “Salon IT- B” avokoa.Momba ilay fanamafisana fahaizamanao indray dia miankina amin’izay sehatra tian’ny orinasa hatevenina ny endriky ny fiofanana omena. Maro amin’ireo orinasa goavana Malagasy sy vahiny eto amintsika moa no efa nanaraka io karazana fiofanana natokana ho an’ny mpandraharaha io tao amin’ny IT University raha tsy hilaza afa-tsy ny Logistique Pétrolière, Orange, QMM, PSI, Edelec ary ny IFRA. Misy karazany roa kosa ny fianarana.

Misy ny fiofanana akademika amin’ny alalan’ny fianarana maraina sy hariva any Andoharanofotsy izay misy ny foibe sy ny ivotoeran’ny IT University. Isaky ny enim-bolana ny fanadinana izay mikaonty amin’ny fiakarana kilasy raha fifantenanana ny dosie kosa no fandraisana ny mpianatra. Miditra amin’ny volana oktobra izao ny indray mihira andiany faha efatra ary mbola mandray ny antotan-taratasin’ny mpianatra herinandro aorian’ny fivoahan’ny valin’ny bakalorea ny IT University ho fitsinjovana ireo vao afaka tamin’ity taona ity. Manao ny fiofanana ampitain-davitra koa ny oniversite kanefa ferana amin’izay manana ny marihapahazaina DTS ihany no fahafaha-manao izany.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT