Actualités

istrikan’Ambatondrazaka Vokatra ny vary, betsaka koa ny halatra sy ny fisolokiana


  • Zoma 12 Jona 2015

Araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalŕna sy ny kaomisera Rakotoarivony Hermann Onirime, ao Ambatondrazaka dia miakatra 80 hatramin’ny 85% ny raharaham-pitsarana voarain’izy ireo, dia mikasika ny resaka olana mifandraika amin’ny ara-bary avokoa

 
. Anisan’ireny ny hala-bary sy doro ‘totam-bary’, ny fisolokiana amin’ny resaka vidim-bary sy fividianana vary ary ny resaka tanimbary izay lasa heloka bevava mihitsy na tokony ho resaka heloka tsotra fotsiny izao noho fisian’ny fifamonoana sy fandratrana ary fandrahonana ho faty. Ny tena olana amin’ny fotoana fiakaram-bary tahaka izao dia ny firongatry ny fisolokiana sy fanararaotam-pahefana ny zava-misy ka ny fahefam-panjakana sy mpanolon-tsaina olom-panjakana ary solontenan’ny antokom-panjakana no tena fampiasan’izy ireo. Tranga iray no mahazo ity fianakaviana iray ity izay misy mitory eo anivon’ny fitsarana Ambatondrazaka, noho ny resaka fanararaotam-pahefana sy resaka fisolokiana io ataon’ity ramatoa iray antsoina hoe R.B.L, izay fianakaviana tompon’andraiki-panjakana teo aloha izay efa noesorin’ny minisitera noho ny fisandohana diplaoma nataony. Nanararaotra ny fahatsoran’ireto fianakaviana ireto ity ramatoa ity tamin’ny fangatahana fanampiana ara-taratasy hiarovany tena teo anivon’ny banky, tamin’ny filazana ny fisian’ny vary 140 taonina, saingy navadiny ho fananany indray izany ary takiany amin’ireo fianakaviana ireto ankehitriny noho ny fitakian’ny banky ny volany 160.000.000 ariary ambim-bola tsy voaloan’i R.B.L. Iray amin’ireo tranga mpiseho ao Ambatondrazaka io, fa misy koa izay mbola miandry fitsarana mpihavana miady lova tanimbary izay tonga amin’ny fifamonoana sy fampiasana hosoka ary fifamosaviana, araka ny angom-baovao hatrany tany an-toerana.

 Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT