Actualités

Isotry sy Ampefiloha Tratra i Dore mpanendaka ikoizana


  • Zoma 06 Janoary 2017

Tratra ihany i Dore, lehilahy 26 taona mpanendaka sy mpanao sinto-mahery efa za-draharaha eny amin’iny faritra Isotry sy Ampefiloha iny rehefa nikelezan’ireo polisy avy ao amin’ny poste de police Ampefiloha aina .

Efa tena misavovona ny fitarainana mahakasika azy io noho ny hamaroan’ireo olona voaendaka sy very fananana eny amin’ireo faritra ireo.  Teny  akaikin’ny Assurance MAMA  no nahatratra azy afaka omaly Alarobia tamin’ny 06 ora sy sasany hariva . Roa lahy izy ireo no teo an-toerana tamin’io fotoana nisamborana azy io saingy  tafaporitsaka ny iray. Tamin’ny fanadihadiana azy dia tena niaiky i Dore  fa mpanendaka .  Isan-karina amin’ny  06 ora sy sasany ka hatramin’ny 08 ora alina izy no manao io asa ratsiny io hoy hatrany izy. Nilaza ihany koa izy fa telo lahy izy ireo no indray miaraka isan’andro. Olona avy mivarotra na miantsena no arahan’izy ireo ary endahiny avy eo  ka rehefa tsy mety  dia vonoiny avy hatrany. Ny andro tsena no tena famelezan’izy ireo ny olona. Efa in-telo nigadra teny Antanimora moa i Dore noho io asa ratsiny io ihany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ary efa nalefa eny am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT