Actualités

Isan’ny vahoaka Malagasy 2,3% isan-taona ny fitomboany


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fiaraha-miasa eo amin’ny rafitra amerikanina USAID sy ny tetikasa HP+, izay tetikasa iray natao hihahiana ny fahasalaman’ny mponina, hahafahana manabevoho ny firafitry ny mponina eto Madagasikara na ilay antsoina hoe « Equipe Dividende démographique ».

 

 Raha ny fanazavana, dia tongatonga ho azy akory izay fahafahana manatsara ny firafitry ny mponina izay fa miankina amina famatsiana sy fanovana anaty sehatra maro toy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, ny fanabeazana sy ny politikan’ny toekarena. Anton’ny fiaraha-miombon’antoka ireto rafitra roa ireto io noho izany. Raha ny fanadihadiana narantin’ny banky iraisam-pirenena ny taona 2015  moa dia mitombo 2,8% isan-taona ny malagasy. 80,3% kosa anefa ny taham-piankinana amin-javatra. Ny taona 2010 dia latsaky ny 25 taona ny 2/3n’ireo mponina miisa 24.576.592. Tanjona tratrarina hatramin’ny taona 2055 araka izany ny hampifandrindra ny taha-pahafatesana sy taha-pahaterahana satria iankinan’ny fiainam-pirenena sy fampandrosoana izany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT