Actualités

INNER WHEEL MAHAJANGA I Sarina Katicia no filoha vaovao


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Ramatoa Sarina Katicia filohan’ny fikambanana Inner Wheel district 920 aty amin’ny ranomasimbe Indiana klioba Mahajanga no voatendry indray hitantana ity fikambanam-behivavy mpanao asa soa ho an’ny fiarahamonina misy azy ireo ity. Herintaona no fotoana hitantanana ny fikambanana ka hetsika fanampiana ara-tsosialy ny vehivavy sy ny ankizy no laharam-pahamehan’ny fikambanana Inner Wheel manerana tany.

 

 Ny sabotsy teo no natao ny fampidirana ny rojo ho mariky ny fandrasaina ny filoha vaovao ny fitantanana ny fikambanana. Etsy an-kilanany, mitohy hatrany ny hetsika fanampiana izay mahazatra ny fikambanana. Nandritra ny lanonana dia nisy koa ny fandraisana mpikambanana vaovao izay efa ela no naniry ny ho mpikambana ao amin’ny Inner Wheel Mahajanga. Maneran-tany ny fikambanana ka maro ireo vehivavy no mpikambana ao aminy. Ny filoha teo aloha Tsiazonangoly Josiane dia niditra ho komitin’ny fikambanana raha efa nahafeno herintaona nitantanana.  Anisan’ireo akany nahazo fanampiana ny akany mpitaiza ireo zaza nania ao Amborovy. Afaka manampy ireo sahirana koa ny Inner Wheel distrik 920 Ocean Indien ao Mahajanga.


 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT