Anisan’ny mafy asa indrindra nefa tena kely karama ny infirmiera izay tsy avelan’ny eo anivon’ny Holafitra hadika ho mpitsabo mpanampy intsony raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Saika izy ireny avokoa mantsy no mivesatra ny asa mpampivelona sy ny dokotera, indrindra any amin’ireo tobim-
pitsaboana tsy manana izany na manana fa vitsy an’isa. Ankoatra izay dia mbola betsaka ny olana sedrain’izy ireo toy ireo namany handeha hisotro ronono nefa tsy mbola misy ny hanolo toerana azy. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny infirmiera. Na izany aza anefa dia amin’io herinandro ambony io vao hankalazaina amim-pomba ofisialy ny hetsika izay hatao any Morondava noho ny fanamarihana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza amin’ity herinandro ity. Mialoha izany anefa dia hanatanteraka fivoriana ireo paramed rehetra ny zoma 15 mey ho avy izao etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hitateran’ny tompon’andraikitra ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka momba ny fitakian’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.