Actualités

Indostria Hisy orinasa fanamboarana «plaque solaire» hitsangana


  • Alakamisy 20 Septambra 2012

Hisy mpandraharaha maorisiana ho avy hampiasa vola eto Madagasikara, eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Fanamboarana ireny «plaque solaire», izay mamokatra herinaratra avy amin’ny taratra hazavana ireny, ity tetikasa ity.

 Tsy handeha irery io fa hisy koa ny foibe fanofanana hitsangana miaraka aminy ary mazava loatra ny fanapariahana ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Asa aman’arivony no fantatra fa hiforona ao anatin’izany. Nivoitra io nandritra ny fihaonan’i Patrick Raharimanana amin’ny mpandraharaha maorisiana amin’io sehatra io. Manatanteraka fitsidihana arahina dinikasa atsy amin’ny Nosy Maorisy mantsy amin’izao fotoana izao, ity filoha mpanorina ny fikambanana “VITATSIKA IO” ity, izay efa nanambara fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy.

Araka ny nambarany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasany hamorona asa ho an’ny tanora ity fihaonana ity. Tompon’andraiki-panjakana sy mpanao politika samihafa koa no efa nihaonany amin’izao diany any izao, toa an-dRtoa Kalyanee Bedwantee Juggoo, mpikambana ao amin’ny Antenimieram-pirenena maorisiana, Atoa Pravind Kumar Jugnauth, mitarika ny MSM (Mouvement Socialiste Militant) antoko mitondra ao Maorisy ary ny fihaonany tamin’i Lindsay Morvan, Talen’ny seraseran’ny antoko PMSD (Parti Mauricien Social Démocrate). Araka ny fantatra dia hitohy hatramin’ny 26 septambra ny fitsidihana ataon’i Patrick Raharimanana any Maorisy. Fitokanana ny “Maison Blanche” foiben-toeran’ny fikambanany eny Ivandry no fandaharam-potoanany vao tafaverina an-tanindrazana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT