Misoko mangina any Antsirabe faharoa ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra ny fanafihana mitam-basy mahazo ireo mpanam-bola sasantsasany dia misoko ihany koa ny halatra taolam-paty.
Tranga iray niseho ny herinandro lasa teo ny fisiana vaky fasana tao amin’ny fokontany Anosy, kaominina ambatomena. Raha ny tombantombana nambaran’ny ben’ny tanàna Rakotomalala Yves Richard, dia mety efa fotoana elaela no nahavakisan’ilay fasana. Nandritra ny fandevenana olona iray ho ao amin’ilay fasana vao hitan’ny fianakaviana fa nisy namaky. Nihidy tsara ilay izy, saingy rehefa novohaina dia razana niparitaka no novantanin’ny fianakaviana tao anatiny. Rehefa nisaina dia razana 20 no very taolan-dava ary 15 hafa kosa tsy mbola voakitika. Somary nihataka ny tanàna moa ilay fasana ka izany no tsy nahitan’ny olona ny mety ho nahavakisany. Nanaitra ny manodidina ny ben’ny tanàna mba samy hijery ny fasany sao efa misy lasibatra ihany koa any ho any. Efa nampandrenesina tamin’ity tranga ity moa ny mpitandro ny filaminana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.