Actualités

Immeuble Santa Enin-dahy nandroba 50 tapitrisa ariary


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Manodidina ny 50 tapitrisa ka hatramin’ny 60 tapitrisa ariary no voaroba tao an-tokotanin’ny Immeuble Santa Antanimena omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Madama avy naka vola tao amin’ny orinasa iray misahana ny fampindramam-bola madinika no lasibatr’ireo jiolahy.

Mety efa fantatr’izy ireo dieny mialoha ny anton-dian’ilay madama izay haka vola ao ary hanatitra izany any amin’ny banky avy eo. Mba mailo ihany io farany ka nitondra lehilahy roa niaraka taminy, dia mpamily sy mpiambina. Tsy nahavita na inona na inona anefa ireo nanoloana ny basy teny amin’ireo jiolahy nandeha scooter. Enin-dahy izy ireo ary nandeha moto tsiroaroa. Vao nidina ilay ramatoa dia notsenain-dry zalahy teo an-tokotany, mbola tao anatin’ny faritra arovan’ny Immeuble Santa avokoa io. Tsy nisy afaka namaly ny mpiambina nanoloana ny basy. Ilay ramatoa kosa nezahin’ireo jiolahy notifirina tamin’ny bigboss izay soa ihany fa mba tsy nipoaka. Na izany aza anefa lasa ihany ny volabe. Ny fitsoahan’ireo jiolahy indray dia teo amin’ny vavahady izay nihidy tamin’io fotoana io. Saingy mbola vitan-dry zalahy ihany ny namaha azy tamin-kery. Dia nanjavona nanomboka teo izy ireo. Anisan’ny toerana sarotra hidirana ilay toerana nisehoan’ny fandrobana satria sady misy mpiambina avy any anoloana no misy ihany koa ny vavahady avy aty ambadika izay mifanandrify amin’ny CCA sy Villa Pradon, samy misy mpiambina ihany koa. Mbola vitan-dry zalahy ihany anefa ny niditra sy nandroba tao. Araka izany, toa faran’izay tsotra ho an’ny jiolahy ny mamaky trano ... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT