Actualités

Imerintsiatosika Miroso ny fanamboarana ilay tohatohabato goavambe


  • Alarobia 28 Jona 2017

Miroso amin’ny asa fampandrosoana hatrany ny tanànan’Imerintsiatosika amin’izao fotoana. Ny 10 %-n’ilay asa fanamboarana ny tohatohabato goavambe ao amin’ny fokontany Laborosy tsenakely mampitohy ireo fokontany 14

 

ao an-toerana mantsy no efa vita ankehitriny, asa izay tsy nanakaramana olon-kafa fa niainga avy tamin’ny fahaiza-manaon’ireo vatan-dehilahy ao an-tanàna sy ireo akora ananan’ny kaominina. Tanjona amin’ny fanamboarana ny fotodrafitrasa ny hanalana fahasahiranana ny mponina mandritra ny fotoam-pahavaratra, indrindra ireo mody lavitra. Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo  no notokanana tamim-pomba ofisialy ny lapan’ny tanànan’Imerintsiatosika izay vokatry ny herim-pon’ny mponina avokoa ny 95 % nahafahana nanatontosa azy. Ny CCPREAS tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny vola kosa no namatsy vola ny varavarana, asa farany sisa tsy vitan’ny kaominina. Na izany aza, tsy mbola manana entana hapetraka ao amin’ity lapan’ny tanàna vaovao ity ny kaominina Imerintsiatosika fa mbola vao mitady, hoy ny Ben’ny tanàna Andriambololona Parisoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT