Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro amin’izao fotoana. Taorian’ny fetin’ny 26 jona lasa teo,
araka ny vaovao azo, nisy an-dian’olona nidina teny an-toerana namefy ilay tany mirefy 11 ha hambolen’izy ireo. Narahina mpitandro ny filaminana mihitsy ny famefena ny toerana sady tsy azo nalaina sary ihany koa ho an’ireo olona nieritreritra ny hanaparitaka ny vaovao. Raha ny fantatra dia efa am-polony taona nanajariana ny toerana izy ireo. Manodidina ny 400 fianakaviana no mivelona ao izay efa niezaka nikarakara ny taratasy sy nangataka ny tany tamin’ny fanjakana mba ho azy ireo saingy tsy nisy valiny mandraka ankehitriny. Raha ny feo mandeha eny amin’ity fokontanin’Imamba Soavimasoandro ity dia orinasa vahiny iray lehibe indray no nahazo ny tanin’izy ireo ary hotanterahina tsy ho ela ny fananganana fotodrafitrasa eny an-toerana. Manoloana io tranga io dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireto tantsaha 400 mianaka ireto hijery akaiky azy ireo. Saika miankina amin’io tany nisy namefy io avokoa mantsy ny foto-piveloman’izy ireo toy ny voly anana, ny voly voatabia, ny tsaramaso.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.