Manana olana ny vahoakan’Imamba Soavimasoandro Cité mikasika ny fangatahan’olona efatra samihafa ny tany manontolo (Plate forme de Recasement Soavimasoandro) TN°39.966-A mirefy 15ha sy 40a izay efa lasa tanàna vaovao ao anatin’ny Fokontany Soavimasoandro mba ho azy ireo.
Tonga nijery ifotony ny zava-misy teny an-toerana ny Solombavambahoaka Raholdina Naivo mivady ny alahady lasa teo, nanazava sy nanome toromarika ny vahoaka mba tsy hisian’ny fisavorovoroan-tsaina. Efa ho am-polony taona maro mantsy no nikarakaran’ny vahoakan’Imamba Soavimasoandro Cité io tany io izay efa misy trano fonenana 65 tafo, hiveloman’ny mponina an’arivony. Fotodrafitrasa maro izay nahazoana fankatoavana ara-panjakana ihany koa no efa miorina eny an-toerana toy ny sekoly ambaratonga fototra, ny trano fitsaboana, ny trano fidiovana sy fivoahana natokana ho an’ny daholobe...Toraka izany ihany koa koa ny Fiangonana Loterana Malagasy Imamba izay misy mpino marobe tokoa. Mitaintaina toy ny soabakaka am-bodiriana, araka izany, ny mponina raha voakasika ihany koa ireo olona rava trano etsy Ankadimbahoaka izay omen’ny fanjakana ampahany amin’io tany 15ha sy 40a io. Ho an’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina dia ny fangatahana ny hanafoanana ny fangatahan’ireo olona efatra ireo ny tany no efa nataony izay narahiny fihaonana mivantana tamin’ny tale jeneralin’ny fananan-tany hahafahana mitady ny vahaolana. Tonga nisaotra sy nankasitraka ity solombavambahoaka ity ny Filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy ao Imamba.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.