Actualités

«Iles éparses» Narirariran’ny Frantsay fotsiny Ravelonarivo Jean


  • Alatsinainy 07 Septambra 2015

Aleo ho resaky ny filoham-pirenena roa tonta, François Hollande ho an’ny frantsay ary Hery Rajaonarimampianina ny firesahana ny «îles éparses», hoy i Manuel Valls, praiminisitra frantsay raha nihaona tamin’ny jeneraly Ravelonarivo Jean, praiminisitra malagasy nandritra ny fivahinianan’ity farany tany Frantsa ny herinandro teo


. Nampanantena kosa i Manuel Valls fa hamerina ny fitaovan’ireo mpanjono malagasy notazonin’ny mpitandro ny filaminana frantsay tany amin’ny «îles éparses».

Arirariran’ny fanjakana frantsay ny mpitondra fanjakana malagasy amin’ity resaka «îles éparses» ity satria isaky ny misy ny fihaonan’ny mpitondra fanjakana roa tonta dia mahita fialana hatrany ny Frantsay ary dia manaraka ihany koa ny Malagasy kanefa dia nosy misoratra mazava tsara eo anivon’ny Firenena Mikambana fa an’i Madagasikara ireo nosy ireo saingy dia marefo ny mpitondrantsika miady ny zontsika.

Izao izany dia hodinihina indray ny «accord-cadre» izay mamaritra ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta dia inona indray no mbola sakana tsy ahafahana miresaka an’ireo nosy ireo hiverina amintsika sa misy tombontsoan’olom-bitsy arovana ao ambadika ao ?

Ny fitsarana no tena maloto

Sarontsaronana amin’ny karazana fifanaraham-piaraha-miasa madinidinika ny resaka fa raha tena vahavahana dia tsy dia hita izay tena nisongadina tamin’ny akon’ny dian’ny praiminisitra tany Frantsa. Voaresaka tany ny lazaina fa fanovana sy fanatsarana eo anivon’ny fitantanan’ny governemanta, indrindra ny eo anivon’ny Fitsarana kanefa io sehatry ny Fitsarana io no nanaovan’ny Banky Iraisam-pirenena fanakianana mavaivay fa tena feno kolikoly tao anatin’ny tatitry ny fanadihadiana nataon’izy ireo ho an’ny volana aogositra 2015. Noresahina ihany koa ny fandaharan’asa mikasika ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara izay nampanantenain’ny fanjakana frantsay fa hitondrany fanampiana dia izay no andrasantsika sy ianteherantsika fa tsy mba voaresaka amin’ny laharam-pahamehantsika mihitsy ny fanatsarana ny orinasa Secren izay tokony hitera-bola betsaka ho antsika Malagasy raha tsy hiteny fotsiny fa ny 50%-n’ny sambo mitatitra entana eran-tany dia tsy maintsy mandalo amin’ny fari-dranomasintsika izany fa inona no sakana ?

Lohahevitra iray nasongadin’ny tatitry ny dian’ny praiminisitra tany Frantsa ihany koa ny nanaovany rangopohy ny famatsiana herinaratra an’i Afrika. Dia hitondra inona ho an’i Madagasikara izay fanaovana rangopohy izay ? Ny zavatra mahamaika eto izao dia ny fanoloana ireo fitaovana nambaran’ny mpiasan’ny Jirama izay mitokona fa tokony hosoloina hanafahana ity delestazy tsy misy farany efa mankaleo ity na koa ny fikarohana fiaraha-miasa amin’ny famokarana herinaratra azo amidy amin’ny sarany zakan’ny sarambabembahoaka fa tsy hampidirana vahiny hafa indray hanabotry ny orinasa Jirama. Niverina an-tanindrazana halina ny praiminisitra rehefa nivahiny herinandro tany Frantsa.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT