Actualités

Ilaivola Ivato Kotaba tsy misy fiafarany


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Velon-taraina ny mponina ao Ilaivola Ivato. Tao anatin'ny roa herinandro izay dia kotaba tsy misy fiafarany no iainan'ny mponina ao amin'ny fokontany Ilaivola Ivato.

 

Misy an'ireny mpanao sovaly hazo mandefa fanamafisam-peo mafy dia mafy ireny. Mandeha manomboka maraina ka hatramin'ny 8 ora alina ary 7 andro amin'ny 7 andro ilay kerimesy. Tsy afaka mba miala sasatra ny olona fa kotaba isan'andro. Ao ambadiky ny biraom-pokontany no misy ilay izy. Voakotaba hatramin'ny mpianatra manodidina satria manakaiky sekoly sy ny akanin-jaza ilay kerimesy. Mikarantsana ny fanononana tarehimarika amin'ny lalao lôtô, sns....Mitaraina ny mponina fa tsy manana filaminan-tsaina mihitsy. Tsy fantatra mazava ihany koa ny fifanarahana ataon'ny sefom-pokontany amin'ireo olona mpanao kerimesy ireo ka mahatonga ilay izy tsy misy fiafarany mihitsy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT